Zoma 25 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 1-12

Toy izao no nanehoan'i Kristy ny fahantrany izay tokony hotahafin'ny relijiozy : Nanao tsinotsinona ny fahamboniana nananany teo aloha Izy mba hampanankarena antsika olombelona (2 Kor. 8, 9). Misy toetra roa anehoan'ny relijiozy ny fahatrana : ny firotsahana sy ny fahatokisana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Alakamisy 24 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 40-49

Nisafidy ny hahantra ny relijiozy, izay tsy midika hoe tsy manana na fadiranovana ny relijiozy. Miezaka ny hanana fahafahana anaty ny relijiozy manoloana ny haren'ny tany mba hanatanterahany ny hafatr'i Jesoa, izay voasoratra ao amin'i Mt 6, 25. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...