Maneho ny fahamasinan'i Masina Maria ny fahavirjiniana. Tsy virjiny ara-batana fotsiny izy fa virjiny ara-panahy, hoy i Md Ambroise. MIfototra amin'ny fiarahaban'ny anjely hoe : "arahaba ry ilay feno hasoavana" ny fampianaran'ny Eglizy. feno hasoavana i Masina Maria, izany hoe: tsy voakasaky ny fahotana tamin'ny fototra fa soa daholo ny ao anatiny. Fandaharana momba an'i Masina maria, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Ilaina ny fifampitokisana sy ny fahaiza-mihaino eo amin'ny mpitarika sy ny mpikambana. Kanefa na inona na inona no mety ho endriky ny dinidinika nifanaovana, dia ny lehibe mandrakariva no tompon'ny teny farany, ary ny mpikambana dia manaiky amim-pinoana sy amim-pitiavana. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Zoma 14 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 1-12
Antitranterin'ny Konsily Vatikana-II ny fifanankalozan-kevitra eo amin'ny lehibe syny mpikambana entiny. Raha mangataka ny hevitry ny relijiozy iray ny lehibe, dia tsy maintsy milaza aminy ny mety ho olana. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco