Alarobia 19 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 1-6
Ny fanekena ataon'ny relijiozy dia fitadiavana sy fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra. Ny voady izay hery manampy ny relijiozy tsy ho voafatotry ny fitiavana sy ny fiahian'izao tontolo izao dia hery lehibe hahafahany manao tsara ny iraka. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Talata 18 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 23-28
Ambaran'ny Konsily Vatikana faha-II fa "manambara mialoha ny fitsanganan-ko velona rahatrizay sy ny voninahitry ny fanjakàn'ny lanitra ny fiainan-drelijiozy (LG42). Santatr'izany sahady ny fiainana ny fahavirijiniana mialoha ny fiainana rahatrizay. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco