Antitranterin'ny Konsily Vatikana-II ny fifanankalozan-kevitra eo amin'ny lehibe syny mpikambana entiny. Raha mangataka ny hevitry ny relijiozy iray ny lehibe, dia tsy maintsy milaza aminy ny mety ho olana. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

Alakamisy 13 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45

Amim-pinoana no tokony hanekena ny lehibe mpitarika, sy tokony hanampian'ny relijiozy azy hikaroka ny sitrapon'Andriamanitra. Adidin'ny tsirairay ny manaiky ary manatsara ny iraka ankinina aminy, relijiozy matotra sy tompon'andraikitra ianao amin'izany. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

Alarobia 12 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 29-39

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...