Alarobia 1 septambra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 38-44
Vokatry ny fifampizarana eo amin'ny mpihaino dia mamohafoha ao amin'ny mpihaino ireo trangam-piainana nandalovany, ny faharenesana ny tantaram-piainana ataon'ilay miteny ka manasa ny mpihaino hanova ny fomba fijeriny sy ny fihetsiny. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Talata 31 aogositra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 31-37
Manampy hanome heviny ny fiainana ny fitantarana azy amin'ny hafa. Afaka manova ny fiheverany teo aloha mahakasika ny fiainany ny mpitantara ka manome heviny sy manome lanja ireo zava-mitranga teo amin'ny fiainana toy ny mala lesona. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco