Talata 20 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 46-50
Ny fahasahiana dia misy fototeny hoe sahy. Ny olona manana fahasahiana dia olona manana herim-po hanao zavatra. Olona sahy dia afaka manao zavatra no sady manaiky ny hanao zavatra. Ny olona manana fahasahiana dia olona tsy matahotra ao anatiny ary marisika ny hanao zavatra iray mety hoe tsy vitan'ny hafa. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
Alatsinainy 19 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 38-42
Nanokana ny andro maneran-tany ho an'ny Raibe sy ny Renibe ary ny zokiolona ny Pape François izay marihina isaky ny alahady akaikin'ny fankalazàna ny fetin'ny Mb Anne sy Joachim ka ny amin'ity taona ity dia ny 25 jolay izao no hankalazaina izany.
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco