Tsy hilaozan'izay tsy fetezana ny zavatra hatao, tsy misy ihany koa ny nateraka mba hijaly, fa ireny no mamolavola ny maha izy ny tena. Ny olona manana ny maha izy azy dia azo hametrahana fitokisana ary mahavita na tsy hotronina aza. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Alahady 18 jolay 2021 — Alahady fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 30-34
Araka ny lalànan'ny fahatongavana ho nofo dia mila olona hiara-miasa aminy Andriamanitra. Isany maha izy ny tena ny fiainam-pinoana manompo an'Andriamanitra. Olona mahatoky tsy mivadika no atao hoe manana ny maha izy azy. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Ny kolontsaina sy ny riba : fomba amam-panao nentin'ireo zokiolona nandrindra ny fiainana. Ankehitriny dia mifangaro ny fomba sy ny finoana. Ny fahasimban'ny kolontsaina sy ny riba dia mahatonga ny olona ho lasa tsy matahotra sy lasa sahisahy. Tsy misy fiaraha-monina milamina sy mandroso raha tsy misy zavatra atahorana. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco