Adidin'ny Kristiana no mitondra am-bavaka ny fiainan'ny firenena sy ireo mpitondra, hahatontosa ny faniriana. Feno 35 taona amin'ity taona ity no nisehoan'i Masina Maria tao Anosivolakely, raha tsiahivina ny 10 novambra 1990 tamin'ny 8 ora alina no nanambarany ihany koa ireo loza hitranga hanjo ny Malagasy sy ny firenena, ary ny fomba hialàna amin'izany loza izany. I Masina Maria no vonjy ho antsika koa irariana ny hiarahantsika mivavaka, hiaraka amin'ireo havana efa nodimandry sy ilay Renin'Andriamanitra, hivavaka ho an'ny Malagasy sy ny fampandrosoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny mpino rehetra dia antsoina handray anjara mavitrika amin'ny litorjia. Vokatry ny "sacrosanctum Concilium" dia nampidirina ny fiteny teratany amin'ny litorjia, izay fanavoazana lalina ny Lamesa. Tanjona ny hanandratra sy hampiroborobo ny fiainam-panahy kristiana, hanamora ny fampiraisana ny Kristiana rehetra... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Alahady 02 novambra 2025 : Fahatsiarovana ny mpino nody mandry - Mbola hitsangan-ko velona ny maty ; Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an'izao tontolo izao. Ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan'ny Zanak'olona. Ny rindrim-be sy ny sakatsakana teo alohan'ny Zake tsy maintsy nosedrainy mba hahitany an'i Jesoa dia misy sy miseho amin'ny endriny hafa ankehitrin, eo amintsika, amin'ny endriny "valifaty, fialohanana, fitiavan-tena, kolikoly, tsy fandraisan'andraikitra, fahalainana, tsy fihainoana ny hafa, havonavona". Safidy miankina amintsika no afahana midify ireo rindrina ireo, ary ilàna finoana....

Ny Litorjia dia manana ny toerany eo amin'ny Eglizy, satria mampitombo hatrany ny fiainam-panahy kristiana eo amin'ny mpino. Kristy no miasa ao amin'ny Litorjia ; ny vahoaka rehetra mandray anjara mavitrika...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...