Antson'Andriamanitra ny fivavahana, na manadino ny Mpahary azy aza ny olombelona, na miafina lavitra ny Tavany aza, ary na manaraka ny sampiny aza ny olombelona, dia tsy mety sasatra miantso ny olona tsirairay Ilay Andriamanitra velona sy marina, mba hihaona Aminy amin'ny fomba mistery amin'ny fivavahana. Mamelona ny fanantenana ao amintsika ny vavaka... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
6 nôvambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 25-33)
Fanandratana ny fahany ho amin'Andriamanitra na fangatahana Aminy ny soa sy ny tsara, ny vavaka. Mivavaka ny olona manontolo amin'ny alalan'ny fihetsika na teny fa eo koa ny fanahy na ny saina fa matetika indrindra ny fo. Ny vavaka kristianina dia fifandraisam-pifanekena eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona ao amin'i Kristy. Asan'ny Trinite Masina ny vavaka... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
5 nôvambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 15-24)
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco