Manana anjara asa lehibe ny Fanahy Masina ao amin'ny Vavaky ny Kristianina. Ny Papa François dia manazava fa manampy ny olombelona hivavaka ny Fanahy Masina, na dia tsy hay aza hoe hatao ahoana ny handrafetana ny vavaka fangatahana ataon'ny olombelona. Mpampianatra lehibe ao anatintsika amin'ny vavaka ny Fanahy Masina... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

28 nôvambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona— Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 20-28)

Hoy i Jesoa hoe : Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy mankany amin'ny Ray afatsy amin'ny alalako. Manana anjara toerana manokana i Jesoa ao anatin'ny vavaka, môdely lafatra. Olon'ny vavaka i Jesoa ary porofon'izany dia mivavaka matetika Izy. Ny vavaky ny kristianina dia mifandray lalandava amin'ny Trinite Masina... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

27 nôvambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 12-19)

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...