Amin'ny maha kristiana, ny mivavaka dia miresaka amin'Andriamanitra ; mino isika fa Andriamanitra dia miresaka amintsika olombelona na miteny amin'ny fomba maro. Raha milaza ho kristiana isika dia tokony hivavaka mandrakariva. Ny tokony hisongadina amin'ny vavaka ataontsika dia ny fisaorana, fitsaohana, fifonana izay vao mangataka. Tsy afaka misaraka ny ny vavaka sy ny finoana araka ny fampianaran'i Jesoa. Katesizy momba ny vavaky ny olomarina, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
25 jona 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 6. 12-14)
Ny vavaka dia fofon'ain'ny finoana. Ny olona mino sy matahotra an'Andriamanitra no miantsoantso mamoaka feo avy ao am-pony toa miantso vonjy. Amin'izao taonan'ny vavaka izao dia mifototra amin'ny mistery ny vavaka na ny zava-miafina fonosin'ny vavaka no resahin'ny Papa François amin'ny katesizy. Ny vavaka no mamelona ny finoantsika, koa aoka samy hiezana hanatsara ny fomba fivavahana. Katesizy momba ny vavaky ny olomarina, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
24 jona 2024 — Ny nahaterahan'i Joany Batista — Fankalazana manetriketrika — Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo indrindra: handeha eo anoloan’ny Tompo ianao, hamboatra ny Lalany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 57-66. 80)
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco