10 aogositra 2024 — Masindahy Laurent, Diakra Martiry — Fety — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 24-26)
Ny Salamo dia vavaka tao amin'ny tempolin'ny Jody ; ny fanoratana azy dia tao amin'ny tontolo manodidina ny tempoly. Tsy nijanona ho vavaky ny tempoly fotsiny anefa ny Salamo fa nitohy tamin'ireo Sinagôga isan-tanàna. Nanana anjara toerana lehibe teo amin'ny fivavahana Jody ny Salamo, tsy nifidianana toerana fa na Tempoly na Sinagôga... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
9 aogositra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 24-28)
Raha tena mivavaka amin'ny fo hoy ny Papa François dia lasa mahay mijery ny zava-misy amin'ny mason'Andriamanitra. Ny vavaka dia tsy fampandriana eritreritra, tsy natao ho famahana olana. Ny vavaka dia manampy sy mamporisika antsika handray ny andraikitra manandrify antsika. Ny Salamo dia vavaka ho an'ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra amin'ny fotoana rehetra... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco