Ny anarana hoe JAKOBA dia midika hoe miasa amim-pahakingiana ; i JAKOBA dia endriky ny fiainantsika. Ny faharetana sy ny fahakingana dia tombony tsara ho antsika. Fahasoavana ny hakingana sy ny faharetana ary tsotrano avy amin'Andriamanitra, Mpahary izao tontolo izao. Mety hisy fifanoherana eo amin'ny zaza na kambana aza, ery mety ho tonga fizarahan-kevitra lehibe. Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
8 jolay 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 18-26)
Mila olona vonona sy mahitsy, manana fitiavana, azo hitokisana, mitandro ny fahamarinana ary mahay manaja ny hafa mba ho fanatsarana ny fifandraisan'ny fiaraha-monina sy ho fampandrosoana. I Kristy dia nanao sorona ny tenany teo amin'ny Hazofijaliana ka io hazo io no atao hoe "alitara". Ny Konsily vatikana-II 1962 dia namerina ny raharaha fanaon'ny diakra raikitra, sy ny mety ho fahafahana manambady. Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Miantso antsika ny Papa François : ndeha hanahaka an'i Abrahama, hianatra hivavaka amim-pinoana ; mihaino an'Andriamanitra, mizotra miaraka aminy, miresaka hatramin'ny mifanakalo hevitra aza. Mety hampieritreritra antsika aza raha ilazana hoe rehefa mivavaka dia mety ho tonga hatramin'ny mitezitra an'Andriamanitra mihitsy. Endrika vavaka izany satria ny zanaka ihany no afaka tezitra amin'ny rainy. Katesizy momba ny vavak'i Abrahama, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco