3 aogositra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 1-12)
Ny vavaka dia resaka amin'Andriamanitra, fanondrotana ny fanahy mankany amin'Andriamanitra ; ny Salamo dia pôezia sy tononkalo natao ho hiraina, izay mila aingam-panahy. Misy karazana endrika maro ao amin'ny Salamo : misy ny Salamon'ny mpanjaka, misy ny fidirana ao an-tempoly, misy fanao amin'ny fivahinianana masina, misy hiran'ny Siôna, misy fampitana hafatra sy lesona. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
2 aogositra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 54-58)
Ny Testamenta Taloha dia mizara 4 : Pentateoka, ny bokin'ny tantara, Boky mirakitra tononkalo sy fahendrena ary ny Mpaminany ; ka ny Salamo dia ao amin'ny sokajy fahatelo izany hoe ao amin'ny hoe "Boky mirakitra tononkalo sy fahendrena". Isan'ireo boky fahendrena ny Salamo ka natao hampitana fahaiza-manao sy traikefa. Andriamanitra no mpanoratra ny Baiboly fa miara-miasa aminy ny olombelona. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco