Ao amin'ny voa no mety ahitana ny vato resahina eto. Misy karazany telo : lithiase rénal, lithiase urterale, lithiase vesicale. Ny mahatonga ilay vato dia singa maromaro mitambatra, ary mivaingana ao antin'ny pipi marihitra, indrinda ho an'ireo olona malaina misotro rano. Amin'ny ankapobeiny dia ny olon-dehibe no tratran'ity aretina ity ; vehivavy 25 taona no mihoatra ary ny lehilahy 40 no mihoatra. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Efa mahatsapa ny mahazava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana amin'ny famokarana ilofosan'izy ireo ny tantsaha mivondrona ao amin'ny vovonam-pikambanana Filamantra Soa Iombonana na ny FISOI sy ny SOAMITSINJO ato amn'ny Faritra Analamanga. Samy mpikambana ao amin'ny Réseau SOA avokoa ireo fikambanana ireo. Misy hatrany isan-taona ny fambolen-kazo faobe ataon'izy ireo.
Anisan'ny resaka mafanafana ny VIH/SIDA amin'izao vanim-potoana iainantsika izao. Misy fiantraikany amin'ny fiaraha-monina ny VIH/SIDA, koa ilaina ny fahafantaran'ny olona io aretina io, torak'izany ny fitrangany sy ny hisorohana ny fiparitahany. Ilaina ny fiaraha-mientana amin'ny fiadiana amin'ny VIH/SIDA, tsy tokony hailikilika ireo marary. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ny fanantenana dia mitondra amin'ny finoana ary ny finoana manova ny zavatra ho amin'ny tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco