♦ Vinavinaina hivoaka mialohan'ny faran'ny herinandro izao ny vokam-panadinana CEPE, hivoaka amin'ny pejy facebook an'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ireo Distrika mamoaka ny vokam-panadinana... ♦ Nanaovana tatitra any amin'ny ministeran'ny Atitany, ny Bianco sy ny Ceni, momba ny fanitsakitsahana ny voalazan'ny lalàna amin'ny tsy tokony handraisany anjara amin'ny resaka politika ny lehiben'ny distrika ao Mahajanga-II... ♦ Vonona ny hanao tantsoroka ireo mpandraharaha Malagasy liana te handray anjara amin'ny TICAD andiany fahasivy atao any Japon afaka roa volana ny fikambanana AEMAJA...
Ny Ray aman-dreny mandray andraikitra dia maharo ny zon'ny ankizy. Ny zo dia filàna ara-boajanahary, ny sokajin'olona tsirairay dia manana izany ary indrindra ny ankizy, mba afahany miaina malalaka sy hampivelatra azy. Mifamatotra amin'ny maha-olombelona ny zo. Misy zo fototra 10 iraisana maneran-tany : Zo hanana ankohonana, zo hanana anarana, Zo hitafy, zo hilalao, zo hianatra, zo hotiavina... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Tao Lisieux tany Normandie-France no namaranana tamin'ny fomba ôfisialy ny fivahinianana Masina naharitra herinandro nataon'ireo Evekan'i Madagasikara... ♦ Nahafatesan'olona telo ny trangana fahapozinana ara-tsakafo niseho tany Mahajanga, olona enina mbola manaraka fitsaboana momba ny fahapozinana ara-tsakafo tao Toamasina ; etsy ankilany natsangana ny "cellule de crise" ho an'iilay tranga teto Antananarivo...♦ Tokony ireo asa tena laharam-pahamehana ho an'ny vahoaka no hampiasana ny volam-panjakàna hoy ny tolo-kevitry ny fitsarana momba ny kaonty sy ny fitsarana ara-bola nandritra ny fampahafantarana ny drafitra stratejika vaovao 2025-2030...
18 jona — Miaramila tao amin’ny tafika romanina i Léonce, ary mpitoka-monina iray no nampibebaka azy. Nozarainy tamin’ireo mahantra ny sakafon’ny tafika misy azy. Ary tsy niafina izy tamin’ny fitiavam-bavaka an’i Kristy, sy nanameloka ny fivavahana amin’ny sampy.
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco