(08-04-2020) Manoloana izao trangan'aretina manerantany izao dia tsy afaka misaraka ny tambazotram-pirenena sy ny fiainan-tokatrano.

♦ Hotanterahina eny amin'ny Katedraly Andohalo anio maraina manomboka amin'ny 08 ora, tsy atrehan'ny kristianina, ny fanamasinana ny menaka masina ho an'ny arsidiôsezin'Antananarivo... ♦ Manana zava-maniry ahafahana manasitrana ny aretina ateraky ny Coronavirus i Madagasikara...

Alakamisy 09 aprily 2020 — Alakamisy Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 1-15 — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao : Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankativanareo.

♦ Hotanterahina eny amin'ny Katedraly Andohalo, ny Alakamisy Masina 09 aprily 2020, tsy atrehan'ny kristianina, ny fanamasinana menaka masina ho an'ny arsidiôsezi'Antananarivo... ♦ Olona vaovao dimy indray no voatily hatramin'ny androany antoandro, fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...