♦ Mitombo isa ireo olona teto an-toerana nifanerasera tamin'ny olona mitondra ny Coronavirus no nifindran'ny tsimok'aretina ihany koa... ♦ Hisy fivoriana lehibe iarahan'ny Filoham-pirenena amin'ireo sehatra maro samihafa ny 04 aprily izao hanapahana ny mety ho tohin'ny fepetra ampiharina isakanana ny fiparitahan'ny tsimok'aretina...

Alakamisy 02 aprily 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Mansindahy Joany 8, 51-59 — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo ; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.

♦ Mbola nitombo efatra indray ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus, raha ny valin'ny fitiliana avy eny amin'ny Institut Pasteur de Madagascar... ♦ Nitohy androany ny Test Diagonostic Rapide (TDR) atrehin'ireo olona tonga avy any ivelany, ny 11 marsa hatramin'ny 19 marsa teo, atao eny amin'ny Jumbo Score Ankorondrano sy ety amin'ny CCI Ivato...

♦ Nahazo fampitandremana am-bava tamin'ny tompon'andraikitra misahana ny serasera sy ny kolontsaina any Vatovavy Fitovinany ny Radio Katôlika Mazava Atsinana fa tsy mandefa ny fandaharana miara-manonja miainga etsy amin'ny CCO ety Ivato... ♦ Mikatona amin'ny 12 ora antoandro ny Tsenanasabotsy sy Antsenakely ao Antsirabe manomboka androany ho fampiharana ny fepetra tsy hiparitahan'ny Coronavirus any Vakinankaratra...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...