Nandray anjara lehibe tamin’ny fampivoarana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly teto Madagasikara ny Fikambanan’i Jesoa, tamin’ny taonjato faha-19. Anarana tsy azo adinoina amin’ireo misionera zezoita frantsay tamin’izany i P. Dalmond, P. Jouen, P. Cazet, P Finaz. Na dia teo aza ny olana nosedraina tamin’ny fifanoheran’ny anglisy sy frantsay, ny katolika sy ny protestanta izay fivavahan’ny mpitondra fanjakana tamin’izany, dia tsy nahasakana ny fitombon’ny kristianina katolika izany noho ny ezaka nataon’ireo misionera zezoita sy lasalianina.
Talata 03 marsa 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 7-15 — Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.
Alatsinainy 02 marsa 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 31-46 — Aza manamafy fo ianareo anio, aoka hihaino ny feon'ny Tompo.
Alahady 01 marsa 2020 — Alahady voalohany amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 1-11 — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco