♦ 40 ireo olona voatily tratran'ny Coronavirus ary 35 ireo sitrana araka ny tatitry ny CCO Covid-19... ♦ Nampahatsiahy ny mpitondra malagasy tamin'ny teny nomeny ny amin'ny hiverenan'ireo Nosy Malagasy amin'i Madagasikara mialohan'ny 26 jona ny Otrikafo... ♦ Ho hentitra ny fivezivezena ao amin'ny Araben'ny Fahaleovantena manomboka ny 24 jona ho avy izao...

Sabotsy 20 jona 2020 — Herinandro faha-11 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 24-34 — Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.

♦ Niampy 40 indray ireo olona voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus araka ny tatitry ny mpitondra tenin'ny CCO Covid-19 androany... ♦ Nilanja sora-baventy teo anoloan'ny masoivoho frantsay teny Ambatomena androany ny Antoko Otrikafo, nitaky ny hamerenana amin'i Madagasikara ireo Nosy Malagasy...

♦ Efa any anivon'ny Primatiora ny volavolan'ny datim-panadinana izay natolotry ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Hamoraina manomboka ny volana jolay io ny fandoavana ny fanampiana avy amin'ny fanjakana ho an'ny mpampnatra FRAM... ♦ Mnisitry ny Asa vaventy : Nampitomboina ao anatin'ny teti-bolam-panjakna hasiam-panitsiana ny vola hanamboaran-dalana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...