• Tsy maintsy hisy fiatraikany aty Madagasikara ny pôlitikan'ny filoha amerikanina, Donald Trump amin'izao fandraisany ny fahefana izao, hoy Andriamatoa Imbiky Herilaza...
  • Tokonyho lasan'ny mpanohitra ny Birao Maharitry ny Filan-kevitra Monisipaly eo anivon'ny Kaominina Antananarivo hoy Andriamatoa Toavina Ralambomahay. Manana mpanolontsain'ny tanàna 30 farafahakeliny ny fanoherana hatramin'izao...
  • Sarotra ny mety hidinan'ny vidim-pianana manoloana ny fihenan'ny vidin-tsolika. Paik'ady hampitoniana ny toe-java-misy eto amin'ny firenena fotsiny io fepetra io hoy ny Profesora Ralison Roger...
  • Didim-panjakana maromaro no nosoniavin'ny filoha amerikanina Donald Trump, taorian'ny fihanianany omaly. Nofoanany ny didim-panjakàna manome vahana ny fiarahan'ny olona mitovy fananahana...

Ny takalo no talohan'ny varotra ; "fihaonana" ny niantsoana ny toerana nahafahana nifanakalo vokatra taloha fa ny Mpanjaka Andrianampoinimerina no nanova ny fiantsoana ny toerana mamaly ny fepetran'io takalo io ho "tsena." Ny takalo dia fifanakalozana vokatra na zavatra heverina fa mitovy lanja na vidy (Entana hasolo entana). Ny vola dia efa nisy taloha elabe ary ireo vazimba dia efa nampiasa izany ; ny vola tamin'izany andro izany dia natao hoe "Cauri na coris", vola nampiasaina taty amin'ny faritry ny ranomasimbe indiana sy ny vondrotrany Azia...

  • Hotanterahina any Morondava amin'ny volana aogositra izao ny andro nasiônalin'ny olon-dehibe andiany faharoa. Misy ny hafatra avy amin'ny CEPAL...
  • Nahazo fankasitrahana ara-bola ireo mpiasan'ny fadintseranana nahatratra ireo volamena saika ahondrana any ivelany ny volana desambra teo. Nisy nahazo vola maherin'ny 97.000.000 Ariary izy ireo...
  • Tsy misy fiantraikany hidinan'ny vidim-piainana eto Madagasikara ny fihenàn'ny vidin-tsolika hoy ny mpahay toe-karena sy mpandinika fiaraha-monina iray...
  • Nihaniana amin'ny maha filoham-panjakàna amerikanina faha-47 azy omaly, Andriamatoa Donald Trump. Fanovàna maro no nambarany fa ho entiny, hampatanjaka indray an'i Etazonia...

I Masimbavy Agnès de Rome no tsaroana rehefa 21 janoary. Teraka ny taona 290 tao Roma i Masimbavy Agnès. Teo amin'ny faha-12 taonany izy no nandà ny fangatahana azy ho vady nataon'ny zanaky ny Péfet tao Roma. Tamin'io fangatahana io mantsy dia nambaran'i Agnès fa efa manana fofombady izy, ary ambony kokoa noho ity zanaky ny Préfet ity.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...