• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
♦ Handresy lahatra ny Amerikana amin'ny fandaharan'asan'ny AGOA ny filoha Malagasy, izay nanomboka nandray ny fitantanana ny SADC omaly. Nanazava izay ny filoham-pirenena omaly... ♦ Tsy maintsy hitohy sy hivoatra amin'izay ny raharaha Boeing 777, taorian'ny fihaonana an-tampon'ny SADC iny-, hoy Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa... ♦ Nahazo "homologation" amin'ny ampahany ny Kianjan'i Mahamasina. Nilaza ny filohan'ny Federasiônafa efa tonga ny milina hikojakojàna ny kianjan'i Mahamasina, ka hisy ny resaka manokana hatao amin'ny CAF, ahazoantsika fankatoavana feno... ♦ Hihaona any Washington anio ny filoha amerikàna sy Okraniana momba an'i Ukraine...
♦ Natao ny faran'ny herinandro teo teny Antanimena ny Jôbily nasiônaly ho an'ny olomboatokana eto Madagasikara... ♦ I Madagasikara manomboka izao no mitantana ny SADC. Nandray ny fitantanana izany tamin'ny fomba ôfisialy ny filoha Malagasy, nandritra ny fihaonana an-tampony faha-45 tetsy amin'ny CCI Ivato, omaly... ♦ Nodimandry tampoka ny Ben'ny tanànan'i Talatan'i Volonondry. Miahiahy famonoana olona amin'izao raharaha izao ihany koa ireo Olomboafidy eo anivon'ny antoko TIM, ka hitondra ny raharaha eo amin'ny Fitsaràna... ♦ Nivory maika tamin'ny alalan'ny visio-conference ireo mpitondra firenena tandrefana, manoloana ny raharaha any Ukraine...
Vita iny ny fihaonana an-tampony faha-45-n’ny SADC natao teto amintsika. Tsapa ho nanao izay nahafa-po azy mihitsy ny mpitondra tamin’ny fikarakarana rehetra. Namirapiratra sy nadio ny arabe fa handehanan’ny vahiny, nirentirenty ny sarin’ireo Filoham-panjakana sy Lehibena Governemanta nanatrika ny fivoriana teto amintsika. Ny Malagasy rahateo hono malaza mandray vahiny. Hita tokoa aloha fa nahay nifanaja ny samy Malagasy nandritra iny fahatongavan’ny vahiny iny: tsy nisy hetsika politika na korontana, fa samy nampangina ny ambom-po politika. Asa ho fitandroana ny hasin’ny firenena ve sa nanaiky tsy sazoka ny fanerena (ankoalaka)?
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco