♦ Tapaka tamin'ny fivorian'ny OMC Antananarivo fa handraisana fepetra ireo manakan-dalana sy mandoro-kodiarana, efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana momba ireo olona manao fiantsiana anaty tambazotran-tserasera Facebook, momba ny olan'ny famatsiana jiro sy rano ao an-drenivohitra sy ny manodidina... ♦ Nahatratra 444 tao anatin'ny 3 volana izao ireo mpandraharaha vaovao vao niforona raha ny antontan'isa eo anivon'ny fikambanan'ny mpandraharaha Aina vao... ♦ Hatomboka amin'ny fomba ôfisialy ny alatsinainy 146 desambra ho avy izao ny taom-pambolen-kazo 2024-2025 izay ho tanterahina any Andekaleka...

Miteny amin'ny olombelona Andriamanitra amin'ny alalan'ny Teniny, na an-tsaina izany na am-bava, ka miforona ny vavaka ataontsika. Vavaky ny zanak'Andriamanitra sy ny mpanota voavela heloka ny vavaka am-po ka manaiky handray ny fitiavana nitiavana azy sy maniry hamaly izany amin'ny fitiavana. Fanomezana sy fahasoavana ny vavaka am-po. Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

9 nôvambra 2024 — Ny nitokanana ny Bazilika ao Latran — Fankalazana — Izay rehetra mangataka ao an-tranoko dia mahazo, hoy ny Tompo; izay mitady dia mahita, ary izay mandondòna dia hovohaina — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 2, 13-22)

♦ Miroso mankany amin'ny fampiasana haitao ara-kajy mirindra ny fandaharana asa fiantohana ara-tsakafo sy ny fanjariana ara-tsakafo, aty amin'ny Tanomasimbe Indiana... ♦ Miara-miasa amin'ny fametrahana ny paikady hiadiana amin'ny afo sy ny doro tanety ary ny doro ala, ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny BNGRC... ♦ Isan'ireo firenena kandidà hifaninana amin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny tanora aty Afrika: Youth Connect Africa Summit, ho an'ny taona 2025, isika Malagasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...