♦ Misokatra azon'ny rehetra tsidihina nanomboka androany ny Sehatra Fampirantiana Iraisam-pirenena ENIRA Lac Iarivo Ivato. Trano heva 300 mahery no mampiranty ny asa tanana sy ny vokatry ny Fambolena Malagasy. Nanokatra izany ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina... ♦ Mahazo vahana amin'ny kaominina miisa roa ao amin'ny Distrika Soavinandriana-Itasy ny ady tany sy ny fandravana trano hoy ny filohan'ny FIVATO Randimbielson William... ♦ Tokony atevenina afaka miatrika ny fiakaran'ny vidim-piainana sy ny tsy fananan'asa ny politika ara-toekarena ankapobeny eto Madagasikara hoy ny Profesora Ralison Roger...
♦ Handoavam-bola amin'ny fotoana mahamety azy ny lalam-baovao mampitohy an'Andranotapahana sy Ivato nisokatra tamin'ity herinandro ity. Mbola misokatra ho an'ny be sy maro nefa ny lalana mandra-pahatongan'izay fotoana izay hoy ny Ministry ny asa vaventy... ♦ Manohana Faritra miisa telo momba ny fampandrosoana maharitra ny fandaharan'asa PADDI GIZ. Manatsara ny fidiram-bolan'ny mponina manodidina ny faritra arovana koa ny fandaharan'asa... ♦ Any amin'ny laharana fahatelo ao amin'ny vondrona misy azy ny Barean'i Madagasikara mandray anjara amin'ny CHAN 2025. Nandresy an'i Centre Afrique tamin'ny isa 2 noho no aotra, ny malagasy omaly...
Rehefa teraka i Jesoa zazakely dia tao anaty hafaliana tokoa i Masina Maria, maneho ny zanany Mpamonjy tamin'ireo mpiandry ondry, solontenan'ireo mahantra na ireo Majy, solontenan'ireo avara-pianarana satria toy izany no fomba fidiran'ny zanak'Andriamanitra teto an-tany. Tena isan'ny toetra manimba ny fiaraha-monina ny fanilikilihana ireo mahantra, Andriamanitra anefa tsy manavaka... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Nandresy tamin'ny isa 2 no ho 0 ny Barean'i Madagasikara tamin'ny lalao fahatelo tamin'ny CHAN, nifanandrinany tamin'i Centre Afrique, ny hariva teo... • Hisy tokoa ny fandoavam-bola ho an'ireo mpampiasa ny lalam-baovao na ny “voie rapide”, mampitohy an'Andranotapahana sy Ivato, hoy ny Minisitry ny Asa Vaventy... • Miantsehatra amin'ny fampihenana ireo tsindry manodidina ireo faritra arovana any Boeni, Diana, ary Anosy, ny fandaharan'asa PADDI...
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco