Rotoroto, fanatontoloana no manjaka amin’ny fiainantsika ankehitriny. Miha ratsy ny fifandraisana eo amin’ny maha olona. Anisan’ny antoka manatsara ny fiaraha-monina sy ny fifandraisana ny fisian’ny Hasina eo amin’ny tsirairay. Raha mahay manome Hasina ny tenanao ianao, dia azo antoka fa manome lanja anao ny hafa sy ny manodidina... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

♦ Nanome hafatra ny Justice et Paix eto amintsika, tao aorian'ny fivorian'izy ireo tamin'ity herinandro ity. Voaresaka avokoa ireo zava-misy iainan'ny Malagasy amin'izao fotoana izao... ♦ Mety hivoaka amin'io herinandro io ny lisitra ôfisialin'ireo ho kandidà Solombavam-bahoaka. Mbola afaka mitondra ny raharaha any amin'ny HCC ireo nolavin'ny OVEC ny firotsahany ho fidina... ♦ Nogiazana eo anivon'ny Banky Foiben'i Madagasikara ilay volamena 450 grama tsy ara-dalàna. Nitondra fanazavana momba ity raharaha ity ny eo anvion'ny Pôlisin'ny Harena ankibon'ny tany...

Izao no voalaza ao amin'ny kolosianina 3, 23 : na inona na inona ataonareo dia tontosao amin'ny fo tokoa, toy ny atao amin'i Jesoa Tompo fa tsy aman'olona. Dingana tsy maintsy lalovana amin'ny fibeazana ny fianarana mba hanomanana ny ho avy. Izay rehetra mianatra dia tokony hitombo amin'ny maha-olona feno azy : vatana, saina, fanahy, fitiavana, finiavana, sitra-po... Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

12 aprily 2024 — Zoma, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 1-15)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...