♦ Nanomboka nangorona entana teny Ampefiloha ny orinasa Canal 7 Event's. Tonga hanafoana ny fifanaraham-piaraha-miasa 3P amin'ity orinasa ity ny mpitandro ny filaminana sy ny tompon'andraikitry ny minisitera, ny maraina teo... ♦ Andrasana ny fanadihadiana momba ilay 154 tapitrisa Ariary, teny amin'ny Antenimieram-pirenena. Vola saika hividianana fahana, saingy nisy nanodinkodina... ♦ Tombontsoa lehibe azon'i Madagasikara tamin'ny COP-28 natao tany Dubai, ny hisitrahana ilay tahirim-bola hamatsiana ireo firenena marefo amin'ny fiovan'ny toetrandro...

Tsara ary ilaina ny mamboly hazo. Tokony atao ny fambolen-kazo izay tokony hanaraka ny fenitra ara-teknika mba hampahomby sy hatratrarana ny tanjona. Anjara biriky ny tsirairay amin'ny fikajiana ny tranobe iombonana ny fambolen-kazo. Ilaina ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin'ny fanjohina ny fambolen-kazo natao, ahafantarana ny vokatra azo. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

♦ Hitohy anio eny amin'ny Lapa Maitson'Anosikely, ny fanoloran'ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny fandaharan'asa ankapoben'ny fanjakana... ♦ Fandikan-dalàna no andikan'ny Minisitra teo aloha, ny Jeneral Tsaranazy Jean Emile, raha toa ka hampiarahana ny fifidianana eny anivon'ny kaominina sy ny Solombavam-bahoka... ♦ Tsy mety ho marin-toerana ny vidin'ny vary sy ireo entana ilaina andavanandro eny an-tsena...

Ampianaro ny taranaka : tsy mety ny mampianatra ny taranaka hamalifaty ; ezaho hatrany ny mampianatra ny taranaka hahay hizara. Isan'ny tombony ho an'ny zokiolona sy ny ray aman-dreny ny fahafahana mizara ny fahaiza-miaina. Izay manoro lalana mahitsy mampita aina. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...