♦ Nanomboka androany ny filan-kevitry ny ministra eo anivon'ny SADC, tafiditra anatin'ny fihaonana an-tampony, izay raisin'i Madagasikara... ♦ Mbola tsy nahazo fankatoavana indray ny kianja Barea Mahamasina. Tsy tafiditra anatin'ireo firenena namoahan'ny Kônfederasiôna afrikan'ny baolina kitra "homologation" vaovao omaly i Madagasikara... ♦ Olona 29 tamin'ny volana jolay teo no tratra saika hiondrana antsokosoko atsy Mayotte tany amin'ny Distrika Ambanja sy Nosy-Be. Nisesisesy io tranga io tao anatin'ny telo volana hoy ny Kômandin'ny CIRGN Antsiranana... ♦ Nohalavain'ny filoha Amerikana 90 andro ny fampiatoana ny fampiakarana ny haban-tseranana ho an'i Chine...

♦ Hiakatra fitsaràna anio Andriamatoa Elia Rabevahiny miaraka amina olona 5 hafa, rehefa nosamborina noho ny fanoherana ny Base Toliara. Miantso ny hanafahana azy ireo madiodio ny antoko Otrik'afo... ♦ Mitaky ny hamoahana ny didim-panjakàna mamaritra ny fandraisana ho mpiasam-panjakàna ireo mpianatra nahavita fiofanana ireo niofana teo anivon'ny ENS. Nanao fanambaràna fanaizana momba izany izy ireo omaly... ♦ Nisokatra ho an'ny besinimaro nanomboka omaly ny lalana vaovao mampitohy an'i Ivato sy Andranotapahana. Heverina hampihena ny fitohanan'ny fiara, indrindra hidirana sy hivoahana ny seranam-piaramanidina Ivato izany...

Masina Maria no lohalaharana amin'ireo madinika sy mahantran'ny Tompo, izay matoky sy manantena famonjena avy aminy ; ary izy ihany koa ilay zanaka vavy an'i Siôna, nahataperan'ny fetr'andro nandrasana ela araka ny fampanantenana sady nahatanterahan'ny fandaharana vaovao, fa avy aminy no nakan'ny zanak'Andriamanitra ny fomba maha olombelona mba hanalany ny olombelona amin'ny fahotana.... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Manamafy ny antso amin'ny hanomezana fahafahana madiodio an'i Elia Rabevahiny, izay hiatrika fitsarana rahampitso, ny antoko Otrikafo... • Mitaky ny handraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpianatra maherin'ny 1700 nahavita fiofanana teo anivon'ny ENS, ireo mpiofana araka ny fanambarany androany... • Efa azo ampiasaina nanomboka androany ny ampahan-dalana amin'ny “voie rapide” manomboka etsy amin'ny “rond point” Don Bosco Ivato, hatrany amin'ny “rond point” Andranotapahana...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...