♦ Ny voka-pifidianana vonjimaika farany avy amin'ny CENI, ny 11% amin'ny biraom-pifidianana no efa namoahana vokatra... ♦ Miantso ny hampitsaharana amin'izay ny fanenjehana lava ny zanaky ny tapany atsimo atsinanan'ny nosy ny Fikambanan'ny zanaky ny Grand Sud-Est. Nanao fanambaràna teny Tsimbazaza izy ireo omaly... ♦ Lavon'ny Kintana mainty Ghaneana tamin'ny segondra farany ny Barean'i Madagasikara ny alina teo. Tany amin'ny fe-potoana fanampiny no nampiditra baolina tokana i Ghana... ♦ Ahiana ny hisian'ny hanohanana sy tsy fisian-tsakafo intsony any amin'ny faritr'i Gaza. Tapaka ny fahafahana mamatsy sakafo ireo mponina, noho ny tsy fisian'ny solika any an-toerana...
Afaka manampy amin'ny fandalinana ny naoty navoakan'ny Congrégation pour la Doctrine de la Foi, izay mamaritra ny firotsahan'ny katôlika amin'ny sehatra ara-pôlitika tarihan'ny feon'ny fieritreretana maha-kristiana azy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
♦ Mitarika ny kandidà laharana faha-3, raha ny vokatra vonjy maika tamin'ny fifidianana notanterahana omaly, navokanan'ny CENI... ♦ Vahoka matotra, ny vahoaka Malagasy, fa nahatanteraka ny fifidianana tao anatin'ny filaminana, na teo aza ny fanakanana ny fifidianana nataon'ny kandidà hafa, hoy ny mpanara-maso avy any ivelany... ♦ Tanterahana amin'izao ora izao ny fifanintsanana eo amin'ny taranja baolina kitra, handehanana any amin'ny fiadiana izay ho tompon-daka eran-tany afaka telo taona. Fifanandrinana eo amin'ny Black Star Ghana sy ny Barean'i Madagasikara...
♦ Dingam-piofanana tsy maintsy lalovana amin’ny fiofanana ho pretra ny filôzôfia… ♦ Nanentana ny tanora mba ho mpamafy fanantenana ny Papa François… ♦ Manan-danja amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny hafaliana…
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco