• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
♦ Tsy misitraka ireo tamberim-bidy tokony ho azo amin'ny fitrandrahana Nickel sy Cobalt, ataon'ny orinasa Ambatoby ireo kaominina miisa 17 any amin'ny Distrika Moramanga sy Toamasina, raha ny tatitry ny O.S.C.I.E... ♦ Miombom-po ary manohana foana ny zanak'izy ireo Ramonjavelo Valéry ny fikambanana FIZANTALAOTRA, manoloana ny raharaha mahasaringotra azy tamin'ilay resaka Boeing 777 farany teo, araka ny fanambarana nataon'ny zanaka Antemoro ny faran'ny herinandro teo... ♦ Laharana fahatelo no nisy an'i Madagasikara tamin'ny lalaon'ny tanora Ranomasina Indiana, C.J.S.O.I andiany faha-13 natao tany Seychelles. Mitontaly 49 ny medaly azon'ny Malagasy...
♦ Tontosa omaly alahady ny Eokaristia Masina nametrahan an'i Mgr Mareck Ochlak teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'i Diôsezin'i Fenoarivo-Atsinanana azy... ♦ Tandindonin-doza ireo olona an'arivony mivelona amin'ny seham-piharina landy any amin'ny kaominina Arivonimamo-II, Faritra Itasy fa mihavitsy ny akora fototra ampiasan'izy ireo... ♦ Resin'i ekipa-pirenen'i Tanzania tamin'ny isa 2 no ho 1 ny Barean'i Madagasikara ny sabotsy alina teo, tamin'ny lalao fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika tsy misy mpilalao avy any ivelany na ny CHAN 2025... ♦ Nanazava ny drafitra entiny handaminana ny any Gaza omaly ny Praiministra Israeliana ; maro ny firenena nitsipaka azy io...
Manana adidy isika kristianina hiady amin'ny fakam-panahy, satria ao am-pontsika ao no sehatra hisehoan'io ady io ; araka ny voalazan'i Masindahy Paoly "fantatro fa tsy mitoetra ao amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin'ny nofoko" Ny demony dia fanahy, vahaolana hiadiana aminy ny fialana amin'izay rehetra mety ho fakam-panahy... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco