Ny Papa François dia manentena sy mitondra am-bavaka ny olombelona rehetra mba hiaina anaty ny fandriampahalemana sy hanaja ny tontolo iainana. Ny tontolo iainana lehibe indrindra dia ny fahaizana mpiara-belona mihavana amin'ny tenany sy ny manodidina azy ary ny fahaizana mikolokolo ny fihavanana. Ao anaty ny fiombonana no misy ny tena fiadanana, ary ao anatin'ny fiadanana no misy ny filaminana tanteraka.
Voalazan'ny Katesizin'ny Eglizy katôlika, fa samy manana soa iombonana izay afahany mahalala ny tenany amin'ny maha-izy azy ny isaky ny fikambanan'ny olona. Anjara andraikitry ny Fanjakàna àry ny miaro sy ny mampandroso ny soa iombonan'ny fiaraha-monin'ny olom-pirenena. Asan'ny fitondram-panjakàna mandrindra ny fisitrahana ny soa iombonana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
8 ôktôbra 2023 — Alahady Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 33-43)
Ny aretina "drépanocytose" dia vokatry ny tsy fahatomombanan'ny sela mena ao anatin'ny vatan'ny olombelona iray. Ny olona mararin'ny "drépanocytose" no atao hoe "drépanocytaire". Ny manam-pahaizana manokana afaka mandray io aretina io dia ny sampandraharaha "hématologie". Ny endriky ny sela mena ho an'ny olona mararin'ny "drépanocytose" dia sahala amin'ny ila volana, fa tsy boribory ary mafy sy henjana ka misy fahasarotana ny hikorinan'ny ao anaty lalan-dra. Ny "drépanocytose" dia manaranaka ; 10% amin'ny malagasy no "drépanocytaire"...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco