♦ Fanampiana hatrany amin'ny 12,6 miliara ariary no omen'ny fitondrana Indiana an'i Madagasikara. Ahakasika sehatr'asa maro, mipaka mivantana amin'ny fiainam-bahoaka, ireo tetikasa hampiasana izany vola izany... ♦ Efa fiaraha-mientana ankehitriny ny telo tonta, eo amin'ny tontolon'ny asa, dia ny solon-tenan'ny governemanta, ny solon-tenan'ny mpiasa, ary ny solontenan'ny mpiasa, amin'ny fampiharana ny lalànan'ny asa, raha toa ka ny mifanohitra amin'izany no nisy hatramin'izay... ♦ "Fanabeazana ho an'ny rehetra sy tsara kalitao" no filamatry ny fanabeazam-pirenena amin'ity taona ity. Natomboka ôfisialy tany Antsirabe omaly ny taom-pianarana 2023-2024 eto Madagasikara...
Anatin'ny vanim-potoana ialohan'ny fifidianana isika izao. Ny safidy no hahafahana mandray andraikitra eo amin'ny lafim-piainana rehetra, koa mahaiza mifidy dia hahazo sy hahita fahafaham-po ianao. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fahasalamana dia mifototra amin'ny : vatana, saina, fanahy. Misy tanjona fifampitsinjovana amin'ny maha-olona izay tsy mijanona ho an'ny tena irery fa ho an'ny manodidina ihany koa. Io fifampitsinjovana io no mitondra amin'ny fahasalamam-bahoaka. Ny fahasalamam-bahoaka tomombana no taratry ny fandrosoan'ny firenena. Rehefa misy ny hetsika ara-pahasalamana sy fanentanana ataon'ny Fanjakana dia tokony havitrika ny rehetra mba hitsinjovana ny fahasalaman'ny rehetra.
♦ Hamoaka ny atao hoe "Manuel de l'Expert" ireo manam-pahaizana manokana miara-miasa amin'ny Fitsarana, ahafantaran'ny olona ny ilàna azy ireo amin'ny raharaham-pitsarana... ♦ Anatain'ny fandinihana, ka hirosoana amin'ny fankatoavana, ny volavolan-dalàna momba ny angovo azo avy amin'ny akora biôlôjika sy mikajy ny tontolo iainana na ny BioEnergie, izay ho ampiharina eto Madagasikara... ♦ Mila miray hina amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra amin'ny fitantanana ny firenena ny governemanta hoy ny mpandinika fiaraha-monina iray, raha tiana hisy ny fifidianana anatin'ny fitoniana sy ny filaminana...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco