♦ Hiverina anio eny Tsimbazaza ny fihaonana arahana fametrahana fanontaniana eo amin'ireo solombavambahoaka sy ny mpikamban'ny governemanta, rehefa tsy nisy tamin'ny fivoriana ara-potoana farany teo... ♦ Antoky ny fahombiazana ara-toekarena eo amin'ny firenena iray ny famokarana sy fanjifana ireo vokatra vita eo an-toerana hoy ny filohan'ny SIM... ♦ Hiatrika fanazaran-tena miaraka avokoa ireo mpilalao avy eto an-toerana sy avy any ivelany voaantso handrafitra ny Barea manomboka ny 12 jona izao, hoy ny mpanazatra Maître Rôrô... ♦ Nizotra tsara ary tsy nisy fahasarotana ny fandidiana natao tamin'ny Papa François omaly, efa nahatsiaro tena izy...

Ny firotsahana anatin'ny fiseraserana "amin'ny fo sy sandry mivelatra" dia tsy mahakasika fotsiny ireo mpikirakira matianina amin'ny fitaova-pifandraisan'ny mpiara-belona fotsiny fa dia tena andraikitry ny tsirairay mihitsy. Samy voaantso hikaroka sy ny hanambara ny fahamarinana avokoa isika rehetra, ary hanao izany anatin'ny tena fitiavana. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

8 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)

♦ Nankatoavin'ireo Solombam-bahoka teny Tsimbazaza androany, ny andininy sivy sy toko iray, nitondran'ny Antenimieran-doholona fanovana, tao anatin'ilay fehezan-dalana hifehy ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Antoky ny fahombiazana ara-toekarena eo anivon'ny firenena iray, ny famokarana sy ny fanjifana ny vokatra vita eo an-toerana, hoy ny Filohan'ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara... ♦ Voasaringotra tamin''ilay raharaha fitsaram-bahoaka tao Lalaza, na Vohibato Fianarantsoa, ny Solombavam-bahoaka voafidy tany amin'io Distrika io...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...