♦ Hifandimby hanao tatitra amin'ny solombavambahoaka sy hamaly ny fanontanian'izy ireo, manomboka anio ireo ministra isan-tokony... ♦ Mahafantatra ny tompon'antoka tamin'ny fidirana antsokosoko tao amin'ny trano fonenany ny faran'ny herinandro teo, ny filohan'ny antenimieram-pirenena... ♦ Lany tao amin'ny asam-baomiera, tsy nisy nitsipaka ary tsy nasiam-panovana, tao amin'ny antenimieran-doholona omaly, ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara... ♦ Nambaran'ny mpitondra Rosiana fa ravan'izy ireo, ireo miaramila avy any Ukraine, tafiditra antsokosoko tany amin'ny faritra Rosiana tany Belgourode...
Misy voka-dratsiny ny fivelarana sy ny fandrosoan'ny fifandraisana ankehitriny satria taloha no nisy ny dinika amoro-patana fa amin'izao fotoana izao dia samy maka ho azy. Nihena na foana ny fihaonan'ny mpianakavy, mifandray amin'ny any ivelan'ny tokantrano fa mifanalavitra ara-pifandraisana amin'ny ao an-trano. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
24 mey 2023 — Alarobia, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 11b-19)
♦ Tsy hihemotra amin'ny fampihorohoroan azy, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Razanamahaso Christine, manoloana ny fitsofohan'ny olona antsokosoko tao amin'ny trano fonenany tamin'ny herinandro teo... ♦ Nirodorodo teny amin'ny Foiben'ny CENI teny Alarobia androany, ny firaisamonim-pirenena malagasy. Rodobe nanaovana ady sisika, niantsoana ny mpikambana ao amin'ny CENI mba hanao ny asany araka ny andraikitra sy ny fahefana omen'ny lalàna azy... ♦ Hanamarika ny volana jona amin'ity taona ity ny fanandratana ny vokatra ara-pambolena eto Madagasikara...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco