♦ Nomarihana androany ny Andro eran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Natao teto an-drenivohitra ny fikaonan-doha hamolavolana ny pôlitikam-pirenena hanentanana ny olona hiady amin'ny fanaparitahana vaovao tsy marina... ♦ Manamafy ny ady atao amin'ny valala sy ny fiarovana ny volin'ny tantsaha mpamokatra ny fitondram-panjakana, manoloana ny firongatry ny andiam-balala amin'izao fotoana izao... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy ny "BNI Lovainjafy", fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, miaraka amin'ny BNI Madagascar...
♦ Efa misy ny olona voafaritry ny lalàna hametraka ny fitoriana eny amin'ny HCC, ka afaka manao izany izy ireo, raha misy fandikàna lalam-panorenana hitan'izy ireo, fa tsy izay rehetra miteny dia hovalian'ny HCC avokoa, araka ny fanamarihan'ny filohan'ity andrim-panjakàna ity... ♦ Tsy anjara andraikitry ny CENI ny mamorona Fokontany. Niteraka ady hevitra mantsy ny fivoizan'ny antoko pôlitika iray amin'ny fisian'ny Fokontany matoatoa any Atsimon'ny nosy... ♦ Notafihin'ny dahalo tamin'ny fomba feno habibiana indray omaly ny mpandeha avy any Vangaindrano ho any Fianaratsoa. Olona iray no namoy ny ainy tamin'izany ary maro no naratra...
♦ 3 mey : Andro eran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety... ♦ Hibahan-toerana amin'ny fivorian'ny parlemantera nanomboka ôfisialy omaly, ny momba ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakana 2023, ny fehezan-dalàna momba ny harena ankibon'ny tany, ary ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola... ♦ Somary nangina tao ho ao, saingy manohy ny fitakiany hatrany ny Sendikàn'ny Mpiraki-draharaham-pitsarana eto Madagasikara... ♦ Efa maherin'ny 500 hatramin'izao ireo namoy ny ainy vokatry ny ady any Soudan ary avo 10 henin'izay ireo maratra...
Ny vokatry ny fifanakalozan-kevitra dia ezahina mba hijanona eo amin'ireo niatrika ny fifanakalozana izany hoe ilàna fahaizana mandanjalanja ny fanapariahana azy. Fiadanam-po ny vokatry ny fifanakalozan-kevitra. Aorian'ny fifanakalozan-kevitra dia ny fahavononana ny hanatanteraka ny dinika no tsy maintsy atrehina mba tsy ho resaka fotsiny. Ilaina hatrany ny fampahatsiahivana izay hevitra tapaka. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco