Vehivavin'ny fiainana tsotra andavanandro i Maria, vehivavy tonga reny, reny nahita ny nahafatesan-janany tsy an-drariny, nahita azy nitsangan-ko velona, ary niandry tamim-paharetana nivavaka — niaraka tamin'ny mpianatra — ny fiavian'ny Fanahiny. Manetsaka fitiavana sy mampisy fotony ny ankobanandro i Maria: toa nijanona ho toy ny teo aloha ihany ny zavatra rehetra, nefa toa niova ho vaovao feno hanitra mamerovero ihany koa. Hasivianandro fiomanana ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro faharoa.

Hoy ny Ntaolo : avadibadiho im-pito aloha ny lela alohan'ny hiteny ; izany hoe manontany tena raha azo antoka ny loharano nahenoana resaka mialohan'ny hitantarana azy amin'ny olona hafa. Amin'ny fehezan-teny tokana dia : tsy maintsy mamakafaka sy manadihady vao miteny. Mila mandinika isika, mitady ny loharano marim-pototra sy mazava fa tsy milaza zavatra manjavozavo na honohono. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

16 mey 2023 — Talata, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 5b-11)

♦ Hotsarain'ny tantara ny mpitondra ankehitriny, izay mbola mikiry hifikitra sy hiverina amin'ny fahefana, hoy ny MMM... ♦ Tsy mieritreritra mihitsy ny hametraka tetezamita, ny fitondram-panjakana, hoy ny Loholona Ramanambitana Richard, androany... ♦ Miandry ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana, vao tena hanomboka ny asa fanamboarana ilay lalambe migodana, hoy ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...