Ny olona rehefa zatra manely tsaho sy milaza vaovao tsy marina dia zary ra mikoriana ao aminy izay fomba ratsy izany. Ny antony tsaho dia matetika noho ny tsy fitiavana sy tsy fifankahazoana, ny fialonana, ny valifaty. Mety hampisaritaka ny namana, hanimba ny laza ary hampisy herisetra mifandraika amin'izany ny tsaho. Manome fanafintohinana olona ireo mpanely tsaho, azo ambara ho fahotana. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

12 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 12-17)

♦ Tontosaina eto Madagasikara, mandritra ny roa andro, ny fivorian'ny Filankevitry ny Governora, avy amin'ny firenena 24 mpikambana ao amin'ny fandintseranana, Faritra Afrika Atsinanana sy Atsimo... ♦ Efa eo am-pijerena ireo fiaraha-miasa vaovao amin'i Madagasikara indray, ny Vondrona Eorôpeana ankehitriny. Nampahafantarina androany ireo tetik'asa an-jatony, izay hataony eto amintsika... ♦ Ho avy tsy ho ela eny Talata-Volonondry ny fitaovana vaventin'ny orinasa ejipsiana, hanaovana ny làlana migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina...

♦ Manatevi-pahalalana momba ny aretina mahazo ny biby sy ny aretin'ny biby mifindra amin'ny olombelona ny dokotera mpitsabo biby sy ny tompon'andraikitra misahana ny fahasalaman'ny biby avy amin'ny Faritra samihafa. Atrik'asa nanomboka androany, haharitra telo andro... ♦ Holaniana anatin'ny fivoriana itambarambe eny amin'ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza ny zoma izao raha tsy misy ny fiovana ilay volavolan-dalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Tsy miheritreritra ny hisian'ny tetezamita ny ankamaroan'ny firaisamonim-pirenena. Aleo hajaina izay voalazan'ny lalam-panorenana hoy ny Safidy. Tsy maintsy hisy koa ny fifidianana hoy ny KMFCnoe...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...