♦ Nosokafana omaly ny fihaonambe fanaon'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco isan-taona. Nanombohana ny fotoana ny fandalinana manokana ny sinaodin'ny eveka momba ny " mba ho Eglizy miara-dia " notarihan'ny Eveka Mpanampy eto Antananarivo, Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Nihaona tamin'ny filoha lefitry ny banky iraisam-pirenena ho an'ny faritra atsinanana sy atsimon'i Afrika tany Washington-Etazonia ny Ministry ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola Malagasy. Ho tohizana ny dina ara-toe-karena vitantsika hoy Ramatoa Kwakwa Victoria... ♦ Tsy mbola midina ny vidim-bary eny an-tsena na efa anatin'ny fararano aza. Tafakatra 4.100Ar/kg amin'ny vary mkalioka sy ny vary mena...
13 aprily 2023 — Alakamisy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 35-48)
♦ Tsy mbola midina mihitsy ny vidin'ny vary vokarina eto an-toerana, na dia efa ao anatin'ny vanim-potoanan'ny fararano aza isika. Misy tafakatra hatramin'ny 4.100 Ariary ohatra ny kilaon'ny vary mena sy ny makalioka eto Antananarivo... ♦ Hanohana antsika amin'ny tetik'asa hanatsaràna ny fomba fiasa eo anivon'ny fadintseranana i Korea-atsimo, hanafainganana ny famoahana entana. Vola maherin'ny 5 tapitrisa dôlara no enti-manana amin'izany... ♦ Mitombo ny isan'ireo vehivavy voan'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza eto Madagasikara. Miisa 44 isaky ny 100.000 no tratran'izany, noho ny tsy fanaovana fitiliana, hoy ny fikambanana tsy miankina "Douleur sans frontière"...
♦ Ho tanterahina amin'ny taona ho avy ny fihaonambem-paritra hiarahan'ireo Faritra 23 eto Madagasikara sy ireo Faritra ary departemantan'ny Frantsay miisa 10... ♦ Manodidina ny 777 miliara Ariary ny vola very, tokony niditra tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, tamin'ny fivarotana volamena tany ivelany, teo anelanelan'ny 2018-2021... ♦ Saron'ny mpiasan'ny fadin-tseranana, afakomaly tany Toliary ny basy miisa 10 sy bala maro, voalaza ho tsy ara-dalàna, tany amin'ny seranam-piaramanidina Toliary ; efa mandeha ny fanadihadiana...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco