Ny atelon'andron'ny Paka dia manomboka ny Alakamisy. Telo andro mialohan'ny nahafatesany i Jesoa dia naneho zavatra maro : Ny alakamisy Masina no namoronany ny Sakramentan'ny Eokaristia sy ny Sakramentan'ny Filaharana. Ny alakamisy ihany koa dia fetin'ny pretra izay tandindon'ny fanorenena ny Sakramentan'ny Filaharana. Katesizy momba ny Alakamisy Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alakamisy 6 aprily 2023 — Alakamisy Masina — Hariva — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 1-15)
♦ Nohamasinina androany teny amin'ny EKAR Antanimena, ny menaka fampiasan'ny Eglizy ho an'ny fizarana Sakramenta, nandritra ny "Messe chrismale", ho an'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Tsy didy vaovao, fa lalàna efa tamin'ny 1960 no nampiharin'ny fitondrana, amin'ilay fanambaran'ny Minisitry ny Atitany, hoy ny mpamakafaka pôlitika, Moussa Soalihy... ♦ Nitombo be eto amintsika ny zaza tratry ny tsy fahatomombanana, vokatry ny fisotroan'ny reniny toaka eo am-pitondrana vohoka. Manaitra ny rehetra ny amin'izany tranga izany ny mpitsabo sy ny OFNALAT...
♦ Manahy ireo masoivoho vahiny miisa 08, araka ny fampitam-baovaon'izy ireo, ny amin'ny mety hisian'ny fihenjanana ara-politika, tamin'ny naoty manakana ny hetsika sy fivoriana ara-politika ankalamanjana, navoakan'ny Ministry ny Atitany. Malalaka ny fanehoan-kevitra saingy mila fahazoan-dalana... ♦ Namoahan'ny BIANCO, filazana fikarohana ny tale jeneraly teo aloha an'ny orinasa JIRAMA sy ny tale jeneraly nisolo toerana azy, Andriamatoa isany Andriamanga Vonjy sy Radanielina Rivo... ♦ Manao antso avo amin'ny mpitondra fanjakana ny mba hamonjena azy ireo ny mponina any Sandramorona, 72km miala an'i Mananjary, fa toy ny vono moka ny hanaovan'ny dahalo ny mponina ao, ary robain'izy ireo ihany koa ny fananany...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco