Voajanahary ny fiaraha-monina. Fiaraha-monina ankohonana no naorin’Andriamanitra voalohany. Avy eo nisy ny fiaraha-monina toy ny firenena tahaka an’Israely. Nataon’Andriamanitra fianakaviana iray ny olombelona. Iray donak'afo, miara-miaina, miara-belona. Soa iombonana no tanjona ka ilàna rafitra ara-politika. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Talata 14 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35)

♦ Hita taratra ankehitriny ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ireo samy mpanohana ny fitondrana, ary toa izany koa ny avy amin'ny mpanohitra... ♦ 23 ireo maty vokatry ny faharendrehan'ny sambo nitondra mpandeha an-tsokosoko, saika hihazo an'i Mayotte. 24 kosa ireo velon'aina soamantsara... ♦ Mitentina 1136 miliara Ariary ny hetra tsy naloan'ireo vondrona mpaninjara solika, tamin'iny taona 2022 iny...

♦ Feno folo taona katroka androany ny nahateo amin'ny Fiketrahana Masina ny Papa François. Nandefa hafatra firarian-tsoa sy fiarahabana ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Nankalaza ny fetin'i Marie Eugénie, mpanorina ny fikambanana Religieuses de l'Assomption, ny tao amin'ny Diôsezin'i Manajary, ny alahady 12 marsa 2023... ♦ “Omeo raho aho hosotroiko”. Io fangatahana nataon'i Jesoa tamin'ilay Samaritana io, no mampiseho fa mangetaheta ny fitiavan'ny olombelona i Jesoa, nefa ihany koa manasa antsika mba hikolokolo ny hetahetan'ny hafa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...