♦ Miahiahy ambadika pôlitika amin'ny fisamborana sy fampidirana am-ponja vonjimaika ny tompon'ny La Gazette de la Grande Île ny Federasiôn'ny mpanao gazety eto Madagasikara. Nanao fanambaràna izy ireo omaly, manoloana ity raharaha ity... ♦ Hosokafana amin'ny mpandraharaha hafa ny fanomezan-dalana amin'ny fahafahana mikirakira lavanila, hoy ny ministry ny varotra sy ny fanjifàna. Nivory niaraka tamin'ireo mpandraharaha mpanondrana ity vokatra ity indray ny Ministera omaly... ♦ Nitombo 36 isa indray ireo nahazo laharam-boninahitra jeneraly eo anivon'ny Foloalindahy malagasy ho an'ny taona 2022. Naseho tamin'ny fomba ôfisaly omaly tamin'ny ministry ny fiarovam-pirenena izy ireo...

Miseho lany ny ady, maro ny olana avy amin'ny mpanao pôlitika mikasika ny lamina araka ny sitrapon'Andriamanitra : minia mandika ny fetra sy ny lamina ny olombelona ; ohatra ny nanomezan'Andriamanitra fahefahana ny olombelona voalohany nohariana hitantana ny zava-boahary fa tsy voahaja ny lamana ka nihinana tamin'ny voankazo voarara ihany i Adama sy Eva. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Talata 28 marsa 2023 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Ny tenin’Andriamanitra dia voa afafy, i Kristy no mpamafy; izay rehetra mahita Azy dia honina ao aminy mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 21-30)

♦ Niaiky ny Minisitra Edgar Razafindrahy androany, fa mandalo krizy ny lavanila. Andrasana ny fehin-kevitra tinapaka tamin'ny dinika niarahany tamin'ireo mpandraharaha... ♦ Tsy tokony atao kabary pôlitika fa amin'ny alalan'ny fitsinjaram-pahefana tena izy, ny famahana ny olan'ny orinasa SECREN, hoy ny Filoha Nasiônalin'ny antoko MMM... ♦ Nosokajian'ny mpitandro ny filaminana ho mpandimby an'ny Del Kely kosa, ilay jiolahy maty voatifitra antsoina hoe Iaris...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...