Andao isika hiombom-po, saina, fanahy miaraka amin'ny renim-pianakaviana mijaly noho ny aretina. Ny vehivavy renim-pianakaviana ka valaky ny aretina dia mijaly ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy. Mila fanohanana koa ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy izy ireny avy amin'ny ankohonana, ny fianakavina, ny fiaraha-monina indrindra ny mpiasan'ny fahasalamana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
♦ Mitaky ny hampitsaharana tsy misy fepetra ny tsindry mihatra amin'ireo mpitsara rehetra manerana ny nosy, ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara... ♦ Nitondra valin-kafatra amin'ireo tsikera miantefa amin'ny fitondrana ankehitriny, ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fitokanana fotodrafitr'asa teny Andoharanofotsy... ♦ Mbola tsy manana kaopia nahaterahana ny 20%n'ireo ankizy latsaky ny 18 taona eto Madagasikara...
Rehefa mitombo ny velaran’ny fiaraha-monina dia mitombo ny adidy sy andraikitra. Maro ihany koa ny olana. Adidin'ny tsirairay no milatsaka ho naman’ny rehetra : manompo ny hafa, indrindra ireo marefo sy voahilika. Ilaina ny rafitra mba tsy hifanitsaka andraikitra : ohatra ao amin'ny ankohonana ; mifanentana amin’ny fahefan’ny ray ny adidiny, toy izany koa ny reny sy ny zanaka. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Zoma 17 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco