Alahady 26 febroary 2023 — Alahady voalohany amin'ny Karemy — Taona A — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 4, 1-11)

Ny aretina "bilarziôzy" dia aretina azo avy amin'ny kantsentsitra, miditra amin'ny maso-koditra, rehefa milona anaty rano, mety nisy sifotra ny olona iray. Misy karazany telo ny "bilarziôzy" arakaraky ny kantsentsitra tafiditra ao amin'ny olon iray, amin'ny alalan'ny maso-koditra dia : ireo manafitaka ny tsinay, ny faharoa dia ireo manafika ny tatavy ary ny farany dia ireo mahazo ny tsinay sy ny atidoha. 24 ora hatramin'ny 18 herinandro aorian'ny nirobohany rano ka tsy nanasa tongotra na nandro dia mety hare mangidihidy sy malailay, ilay olona, manavy, marary ny vanin-taolana... Ny "bilarziôzy" dia mety hijanona ao amin'ny olona iray mandritra ny 15 hatramin'ny 20 taona. Ho fisorohana io aretina dia tokony hanaja ny fahadiovana ny rehetra...

♦ Mitana hatrany amin'ny tsy fombàna ny atsy na aroa i Madagasikara na dia nifidy ny hisitahan'ny tafika Rosiana ao Ukraine aza, manoloana ny ady ataon'i Rosia amin'ny Ukraine... ♦ Mbola tsy hita popoka hatramin'izao ireo teratany Vahiny miisa 04 voalaza fa niaraka tamin'ilay sambo iray, tavela teny an-dranomasina tany Vohémar... ♦ Fito (07) volana izao no tsy nandray solom-paladiany ireo mpanentana ara-pahasalamana any Mandritsara. Mandrahona ny tsy hanao tatitra ny asany izy ireo... ♦ Tafakatra 50 000 isa mahery ireo maty vokatry ny horohorontany nitranga tany Turquie sy Syrie...

♦ Misy ireo entana lany daty miparitaka any Morondava. Takian'ireo mpanjifa ny hampahafantarana ny mpamongady mivarotra izany... ♦ Nidina ifotony nitondra fanampiana ho an'ireo tra-boina vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Freddy tan Mananjary ny Filohan'ny Repoblika Rajoelina Andry... ♦ Hitarika tsy fitoniana amin'izao vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao ny sakantsakana atao amin'ireo antoko pôlitika, hoy ny Tanora RMDM... ♦ Miantso amin'ny tokony hamerenana ny fandriam-pahalemana ao Ukraine ny Papa François, amin'izao fahaherintaona nanafihan'i Rosia an'i Ukraine izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...