♦Tafajoro ireo vondron'ny tanora manohana ny hirotsahan'i Siteny Randrianasoloniaiko ho fidiana ho filoham-pirenena eny Antananarivo-Avaradrano... ♦ Misy ireo olom-bitsy ahitàna olom-boatendry sy olom-boafidy manao tsindry an'ireo vondron'olona ifotony miaro ireo faritra arovana, hoy ny Ministry ny tontolo iainana Vina Marie Orléa... ♦ Mbola misedra olana ireo mpandraharaha misehatra amin'ny fitotom-bary, hoy ny Ministra Edgar Razafindravahy... ♦ Mbola nanamafy ny antsony amin'ny famerenana ny fandriam-pahalemana any Ukraine ny Papa François...

♦ Miantso ny rehetra mba handini-tena ny FFKM amin'izao Herinandro Masina izao... ♦ Misy mifofo ny ain'ny solombavambahoaka voafidy tany Ikongo raha ny nambarany nanoloana ireo vahoakan'Antagnala nifidy azy... ♦ Nifona ampahibemaso kosa ny sekreteram-panjakàna miadidy ny zandarimariam-pirenena, nandritra ny fankalazana ny andron'ny zandarimaria... ♦ Nitarika ny lamesan'ny alahady ny sampankazo ny Papa François omaly, iray andro taorian'ny nivoahan'ny hôpitaly tao Gemelli...

Olana hafa ihany koa ny fanalalahana. Rehefa nomena fahefana ny vahoaka dia nisy ny fahalalahana. Ny rafi-pitondrana "demôkrasia" dia ankasitrahan'y Eglizy ; afaka mandray anjara amin'ny safidy pôlitika ny vahoaka. Ny gaboraraka dia miteraka zava-dratsy maro ; isan'ireny ny fanalalahana fifaninanana ara-barotra toy ny fanaovana dokam-barotra izay maro no mamitaka. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Alatsinainy 3 aprily 2023 — Alatsinainy Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay! Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 1-11)

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...