Talata 17 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 23-28

♦ Tombanana hikambana ka ho lasa andro ratsy ireo tangoron-drahona roa any amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, amin'ny alarobia izao... ♦ Tsy laharam-pahamehana ho an'ny fitondrana ankehitriny, ireo mpiasa raha oharina amin'ny orinasa vahiny, hoy ny Valabe Firaisan-kinan'ny Mpiasa Malagasy, na ny SSM, androany... ♦ Nifanindran-dalana tamin'ny hetsiky ny mpitondra camion tao Ankarefo, any Moramanga, androany, ny dinika fitadiavam-bahaolana taty Antananarivo Renivohitra...

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala sy ny fametrahana azy ho Mpinadry ondrin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nanatanteraka ny Andron'ny fiainam-panahin'ny Finakaviambe Salezianina, ny Salezianina eto Madagasikara, omaly... ♦ Rehefa avy nanao batemy an'i Jesoa teo Jordany i Joany Batsista, avy hatrany dia nanatanteraka ny iraka ho azy, tsy nila dera ary tsy niandry valisoa. Nanentana ny pretra rehetra sy ny relijiozy ny Papa, nandritra ny vavaka Angelus omaly, mba hoentanin'io fanahin'ny fanompoan'i Joany Batista io...

♦ Ahemotra amin'ny sabotsy 28 janoary ny fanokafana ôfisialy ny taona fambolen-kazo, izay hatao any Ilaka-Est, noho ny fiforonan'ny andro ratsy ao amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Efa resy lahatra amin'ny voka-tsoa ho entin'ny asa fitrandrahan'ny Base Toliara indray ankehitriny, ny ankamaroan'ireo nanohitra ny Tetikasa, any amin'ny Fokontany Benetsy Toliara-II... ♦ Herin-taona omaly 15 janoary, izay androm-pirenena ho an'ny Kabary Malagasy, ny nanambaràna  tamin'ny fomba ôfisialy ny nampidirana ny Kabary ho harem-bakoka ara-tsain'ny zanak'olombelona... 

[Miara-dàlana] Zoma 18 jolay 2025

• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...