♦ Misy tombony ho an'i Madagasikara ny maha mpikambana azy ao amin'ny SADC hoy ny PMH. Ahafahana manafatra ny sakafo hanampiana ireo filàna andavanandro ny tsena ao aminy hoy ny filohany Andry Razafindralambo... ♦ Tokony arahana an-tsakany sy an-davany hoy ny Transparency International Initiative Madagascar ny tsy fandoavana saram-pianaran'ny mpianatra ho an'ny sekolim-panjakàna, isorohana ny mety ho trangana kolikoly aterak'izany... ♦ Andro faharoa amin'ny Fier Mada ny androany. Ny fikarohana lalam-barotra no antony voalohany iakaran'ny tantsaha sy ny mpandraharaha eny ambanivohitra eto an-drenivohitra...

♦ Hanatevin-daharana ny fikambanana Gasy Tompon'ny Taniny ireo ray aman-dreny ao amin'ny ARFM ahafahana manohy hatrany ny tolona efa natomboka. Tolona hanavotana ny tanindrazana sy hamerenana ireo nosy 5 miparitaka an'ny Malagasy... ♦ Madagasikara no mitantana ny kômity maharitra ho an'ireo mpiasam-panjakàna ambony ao amin'ny SADC nanomboka izao. Tontosa omaly ny famindram-pitantanana teo amin'ny sekretera jeneralin'ny Ministeran'y raharaham-bahiny Malagasy sy Simbaboena... ♦ Andro faharoa amin'ny Fier Mada ny anio. Fahombiazana ny andro voalohany. Tonga marobe teny amin'ny kianja Makis Andohatapenaka ny mpitsidika...

Ny fisehoan'i Masina Maria dia tohin'ny sy fanampiny amin'ny tantaram-pamonjena. Miseho amin'ny endrika roa ny anjara-toeran'i Masina Maria amin'ny tantaram-pamonjena, taorian'ny nitsanganan'i Jesoa ho velona : ny fisian'ny teo anivon'ny Eglizy ary faharoa fanohizany manely ny finoana ary fizarana ny fahasoavana azo tamin'ny famonjena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Hiova endrika ny tolona ataon'ireo ray aman-dreny eo anivon"ny ARFM, hisian'ny tena firenena Malagasy sy ny ambaran'izy ireo fa fanjakan'ny fanjanahana an'i Madagasikara amin'ny endriny vaovao... • Nandray ny fitantanana ny komity maharitra an'ireo ny mpiasam-panjakana ambony eo anivon'ny SADC i Madagasikara nanomboka androany... • Hetsika maro sosona no hanamarihan'ny Malagasy Karaté Do na ny MAKA ny faha-50 taonany. Hosantarina amin'ny sabotsy izao izany...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...