♦ Tsy maintsy hanolotra fifanaraham-piaraha-miasa vaovao amin'ny orinasa QMM ny Fanjakàna Malagasy, araka ny tapaka tanatin'ny filan-kevitry ny ministra omaly, mba hitsinjovana bebe kokoa ny tombontsoan'i Madagasikara... ♦ 12 janoary : andron'ny manam-boninahitra. Fotoana natao hibaikoan'ny zandary, an'ireo manam-boninahitra zokiny, nanomboka ny 12 janoary 1968... ♦ Heverina handalo tsy lavitra ny planeta tany, amin'ny fiandohan'ny volana febroary ny "Comète" izay, izay efa tany ho any amin'ny 9500 taona talohan'i Jesoa Kristy no nisehoany farany...
Ireo antony mahatsara ny fianakaviana : mahay mifampikarakara, mifampihaino, mifanakaiky am-po ary mahay mifampahery. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Fanakorontanana saim-bahoaka ary tsy marina ny filazana fa misy renim-pianakaviana mivarotra ny zanany eny an-tsena any amin'ny Distrikan'i Ikongo... ♦ Tanatin'ny filan-kevitry ny ministra omaly, hentitra ny Filohan'ny Repoblika nilaza fa tsy ekena ny fanapariahana vaovao tsy marina izay iniana ahazo vahana amin'izao fotoana izao... ♦ Hita soa aman-tsara ny alin'ny talata teo, tao Ankilimarovahatse-Toliara, ilay zaza menavava nisy naka, tao amin'ny Clinique iray tao an-tampon-tanànan'i Toliara....
Ny dingana arahina amin'ny fiomanana handray ny Sakramentan'ny mariazy : ny voalohany, ny fisehoana izany hoe ny fampahafantarana ny ray aman-dreny roa tonta ny fiffankatiavana misy eo amin'ireo mikasa hivady ; faharoa, ny vodiondry, izany hoe ilay fanambadiana araka ny fomba Malagasy. Ny fahavitan'ity dingana faharoa ity dia tsy mbola midika hoe efa afaka miray trano ny mpivady. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco