Ny Eveka no mpandimby ny Apôstôly sy Mpitandrina izay miara-miasa akaiky amin’ny Vikeran’i Kristy. Mpiara-miombon’antoka amin’ny famahanana ny ondriny ny Eveka, tsy mpiasa izy ireo fa tena tompony izay nanankinan’i Kristy fahefana hanamasina ny olony. Tao anatin'ny vavaka tamin'ny Rainy no niantsoan'i Jesoa Kristy ireo Apôstôly 12 mba hiaraka aminy sy hirahiny. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
Alakamisy 22 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 46-56
♦ Ho fampifaliana ny vahoaka Malagasy amin'izao fetin'ny Noely izao, dia afaka hianoka ireo karazan-kaingo sy hazavana samihafa eny amin'ny manodidina ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra izy ireo, manomboka izao hariva izao... ♦ Hijery manokana ny vahoaka Malagasy ny fitondram-panjakana, amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Varotra sy ny Fanjifana amin'izao fety izao, ka natomboka androany ny fanaparitahana eny amin'ny tsena, ny Vary Tsinjo Mifety...
Bokin’i Izaia Mpaminany 49, 3. 5-6
Tamin’izany andro izany, hoy ny Tompo tamiko:
“Mpanompoko ianao, ry Israely,
izay hataoko reharehako”.
Ary ankehitriny miteny ny Tompo,
Izay namorona ahy hatrany am-bohòka mba ho mpanompony,
hampody an’i Jakôba aminy indray,
ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely.
— Ary mahazo voninahitra eo imason’ny Tompo aho,
ary Andriamanitro no heriko.
— Hoy Izy:
“Mbola zavatra kely foana ny maha-mpanompoko anao,
hanangana ny firenen’i Jakôba indray,
sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely;
fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao,
mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 39, 2 sy 4ab. 7-8a. 8b-9. 10
Niandry ny Tompo aho ka niandry,
niondrika Izy, nihaino talaho,
hira vao no nataony teo am-bavako,
fiderana an’ilay Tompontsika.
Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra:
ny sofiko manko nosokafanao.
Tsy misy ilainao mihitsy
izay sorona dorana sy fanonerana;
ka hoy aho hoe: Inty aho tamy.
Voasoratra ao amin’ny boky ny momba ahy:
ny manao ny sitrakao no mamiko;
ny lalànao, ry Tompo,
no ato am-poko.
Ny fahamarinanao, ry Tompo,
notorîko tamin’ny fiangonana;
ny molotro tsy nakomboko:
fantatrao tsara izany.
Fiantombohan’ny taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty 1, 1-3
Izaho Paoly
voaantso ho Apôstôlin’i Jesoa Kristy
noho ny sitrapon’Andriamanitra,
sy i Sôstena rahalahy,
dia mamangy ny Eglizin’Andriamanitra any Kôrinty,
dia ireo mpino nohamasinina ao amin’i Jesoa Kristy,
olona voaantso sady masina mbamin’izay rehetra
miantso ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika,
na aiza na aiza misy azy:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika,
sy i Jesoa Kristy Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Tonga Nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika,
ary amin’ny alalany, dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany 1, 29-34
Tamin’izany andro izany,
dia nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany
ka nanao hoe:
“Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra,
indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.
Izy no ilay nantsoiko hoe:Misy lehilahy avy ao aoriako,
sy efa tonga eo alohako,
satria talohako Izy.
Ary izaho tsy nahalala Azy;
fa mba hampisehoana Azy amin’i Israely
no nahatongavako manao batemy amin’ny rano”.
Ary nilaza marina i Joany nanao hoe:
“Efa hitako ny Fanahy Masina
nidina avy any an-danitra toy ny voromahailala,
ka nitoetra teo amboniny.
Ary izaho tsy nahalala Azy,
fa Izay naniraka ahy hanao batemy amin’ny rano
no nilaza tamiko hoe:‘Izay hitanao hidinan’ny Fanahy Masina’.
Ary nahita aho ka milaza marina
fa Izy no Zanak’Andriamanitra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco