Alarobia 7 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 28-30
♦ Nahemotra ho amin'ny 31 janoary 2023, ny fotoam-pitsarana an'i Mahery Lanto Manandafy, izay saika notanterahana androany... ♦ Nomarihana androany ny andro natokana ho an'ny indostria aty Afrika. Nambaran'ny Minisitra Edgard Razafindravahy, fa efa eto Madagasikara ny antsasaky ny fitaovana hananganana indostria miisa 72, manerana ny nosy... ♦ Manana andraikitra amin'ny ady atao amin'ny fihafanan'ny toe-tany ny Orange Madagascar. Nampahafantatra ny momba izany, nandritra ny tafa ho an'ny mpanao gazety, ny Tale Jeneraliny...
♦ Very hasina ny Antenimieram-pirenena amin'ny fihetsik'ireo solombavambahoaka sasany, hoy ny mpikambana iray avy amin'ny antoko TGV. Misy amin'izy ireo, hoy izy, no tsy manao ny asany fa variana misolelaka amin'ireo ministra eo anivon'ny Governemanta... ♦ Ahiana sahady ny mety hisian'ny fianjeran'ny vato sy fihotsahan'ny tany eny ambanin'Ampahamarinana sy ny manodidina. Mponina maherin'ny 2.600 no mety hafindra fonenana, aorian'ny fametrahan'ny BNGRC saina mena eny an-toerana... ♦ Hotsenaina amin'ny fomba makotroka etsy Ivato anio tolak'andro ireo mpilalaon'ny ekipam-pirenena malagasy, tomponddaka sy tompondaka lefitr'i Afrika eo amin'ny Basket 3x3 ny faran'ny herinandro teo...
Ny valy tanana dia hatarafana ny fihavanana sy ny firaisan-kina ary fe-pihavanana. Ny valy tanana dia hita eny amin'ny lafiny arak'asa toy ny fikarakarana fambolena sy ny fanorenana foto-drafitrasa ; eo koa ny amin'ny lafin'ny fifandraisana ara-piaraha-monina toy ny fahoriana sy ny fifaliana. Tsy tontosa ny valy tanana raha tsy eo ny fokonolona, ity farany izay faritana ho vahoaka mpandray andraikitra. Ny tanjona amin'ny valy tanana dia ny soa iombonana. Valy tanana dia azo adika ihany koa hoe takonana na asa tanamaro. Tamin'ny andro nanjakan'i Mpanjaka Andrianampoinimerina no namoahana io didim-pihavanana io, izay niainga tamin'ny rafitra fokonolona, azo ambara fa haren-tsaina avy amin'io mpanjaka io ihany...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco