Tsy vitsy no mieritreritra fa ny firotsahana amin'ny sehatry ny pôlitika no lalana ahazoana ny voninahitra sy ny fahefana. Ny olona tia voninahitra sy liam-pahefana dia mihidy ho an'ny tenany samirery, fa mampiasa ny olon-kafa mba ho amin'ny tombontsoany. Ny tena ilaina dia ny fahafahana mandray fepetra manoloana ny tranga vaovao atolotry ny fiainana. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.

Talata 29 nôvambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 21-24

♦ Niatrika Mpitsara mpanao famotorana indray androany, i Mahery Lanto Manandafy... ♦ Hifandimby ho henoina eny amin'ny PAC 67Ha, ireo Tale 32 ao amin'ny orinasa Jirama...

♦ Nandefa hafatra ho fankaherezana ny vahoaka Malagasy sy ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany, mba hahay hifampitsinjo manoloana ny olana ara-piaraha-monina misy ankehitriny, ary mba hifanaja sy hanaja ny soa iombonana, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Nandritra ny vavaka Angelus no nanentanan'ny Papa François ny mpino rehetra, mba hivoaka amin'ny fahasahiranana ka hifoha, hamantatra sy hiarahaba ny Tompo, izay miafina ao anatin'ny toe-javatra mahazatra eo amin'ny fiainana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...