♦ Fotoana lehibe ampahafantarana an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny fandraisana ny Fihaonana an-tampon'ny filoham-panjakàna ao amin'ny COI afaka 3 herinandro hoy Andriamatoa Ramamonjisoa Régis... ♦ Manohana ny fampandehanana ny tetik'asa Fitrandrahana Fasi-Mainty ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana ireo ben'ny tanàna ao amin'ny Kaominina miisa 4 iantefan'ny tetik'asa. Miandry ny fanombohan'ny asa izy ireo... ♦ Manohana ny tantsaha amin'ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra nasiônaly. Mbola mitohy ny fiofanana arahan'izy 24 mianadahy, mifaninana ho lasa mpandraharaha...
♦Dinihina mandritry ny 10 andro mahery ny momba ny FEC sy ny FRD, famatsiam-bolan'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ho an'i Madagasikara. Mandalo eto Madagasikara ny iraky ny FMI tarihan'i Constant Lokeng Ngouana... ♦ 2 avrily andro natokana ho an'ny zandary : Nomarihana tamin'ny fanomezam-boninahitra ireo manamboninahitra nahavita be teo anivon'ny zandary saingy efa lasa nisotro ronono ny andro omaly... ♦ Mirona amin'ny fampiasana ny teknôlôjia vaovao hanaovana ny serasera ho an'ny fizahan-tany ny Ofisim-Pirenena ho an'ny Fizahan-tany na ny ONTM...
03 aprily — Niaina tamin'ny taona 1197 ka hatramin'ny taona 1253 i Richard. Teraka tao Angleterre izy, zanak'olona ambony razana izy ka nanan-karena be nefa vetivety foana dia nikorosy fahana ary tao aorian'ny nahafatesan'ny ray aman-dreniny dia nigadra noho ny trosa ny lahimatoa tamin'izy ireo.
3 avrily 2025 — Alakamisy, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 31-47)
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco